TOKY NOMENA

TOKY NOMENA
TOKY NOMENA

1. Savaranonando

Izaho, kandidà amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka 2019 eto Madagasikara izay :
I. Mandray am-po ny fanajana ny Zo maha-Olona voafaritry ny Fanambarana Iraisam-pirenena momban’ny Zon’Olombelona, ary ny Sata Afrikanina momba ny Zon’olombelona sy ny vahoaka, sy ny Sata Afrikanina mifehy ny Demokrasia, ny Fifidianana sy ny fitantanana, indrindra fa ny lalampanorenana Malagasy
II. Mandray am-po ny hasin’ny Soatoavina Malagasy (Aina, Fanahy, Fihavanana)
III. Mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fangaraharan’ny loharanom-bola hampiasaina amin’ny fifidianana
IV. Mahatsapa ny andraikitra tokony ho raisina mba hitandroana, hanamafisana ny firaisankinam-pirenena sy ny filaminana ara-tsosialy
V. Mahatsapa ny fahalemen’ny demokrasia, etsy ankilany nefa etsy andaniny, ny maha tany tan-dalàna an’I Madagasikara sy ny andraikitra ho raisina mba iantohana izany

Dia manaiky fa

2. Mialohan’ny andro fandatsaham-bato:

1. Hanaja ireo fitsipika napetraka mikasika ireo fiomanana amin’ny fifidianana;
2. Hanao izay hisian’ny fifidianana madio : hanilika izay mety ho endrika kolikoly rehetra, indrindra fa ny fividianana safidy sy ny feon’ny fieritreretana amin’ny alalan’ny fizarana zavatra na vola,
3. Hanentana sy hifehy ireo mpomba anay tsy hihoa-pefy, ka hanalavitra ny herisetra amin’ny endriny rehetra
4. Hifady ny kobaka am-bava sy ny fampanantenana poak’aty fa hanazava tsara amin’ny vahoaka ny andraikitra marina iantsorohan’ny Solombavambahoaka
5. Hihaino sy hanome vahana ny adihevitra ary handray ireo soso-kevitra mitondra fivoarana sy fanatsarana
6. Hitsipaka ny fanaratsiana, faniratsiràna ny mpifaninana, toa izany koa ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratonga
7. Tsy hampiasa ireo tombontsoa sy ireo enti-manana ary ny fahefana avy amin’ny fanjakana sy ny rantsamangaikany na koa ireo rafitra miankina na tsia amin’ny fanjakana
8. Hampahafantatra ny sarambabem-bahoaka ny tetibola sy ny loharanom-bola hampiasaina amin’ ny fampielezan-kevitra: ny karazany sy ny fiaviany ka tsy hanao fandaniana mihoa-papana manoloana ny fahantran’ny vahoaka.

3. Mandritra ny andron’ny latsabato:

9. Tsy hanakorontana ny fizotrin’ ny latsa-bato: hitsipaka ny hala-bato, ny fanovàna na fanodikodinana ny voka-pifidianana na fampitahorana ny mpifidy na ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny
10. Tsy hanao kolikoly, tery na tsindry amin’ireo mpiandraikitry ny raharaham-pifidianana, na ny delegen’ny mpilatsaka hofidiana
11. Tsy hampiasa ireo tombontsoa sy ireo enti-manana ary ny fahefana avy amin’ny fanjakana sy ny rantsamangaikany na koa ireo rafitra miankina na tsia amin’ny fanjakana
12. Hampandray andraikitra ireo delege sy ny solontena ary ny mpanohana
13. Hitoroka arahina fanamarinana sy fitondrana porofo mazava ireo fihoaram-pefy, hosoka ary tsy fanarahan-dalàna na fandikan-dalana, ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo fepetra sy fitsipika voalazan’ny didy aman-dalàna

4. Aorian’ny vaninandro fandatsaham-bato

14. Hitondra eo anatrehan’ny fitsarana mahefa ny rahaharaha rehetra mety ho fifanolanana
15. Hanaiky sy hanaja ny voka-pifidianana ka tsy hisora-tena ho mpandresy mialohan’ny vokatra ofisialy

5. Ho an’ireo kandidà voafidy:

16. Hanao ny fanambaram-pananana araka ny lalàna manan-kery amin’ny fiantombohana sy ny fiafaran’ny fe-potoana fiasàna;
17. Handray mpiara-miasa araky ny traikefany sy ny fahaizany ary ny fahamendrehany mifandray amin’ny asan’ny parlementera
18. Hifampitaiza mba haharesy lahatra ireo olom-boafidy fa ampindramina ny fahefana, ka hotsarain’ny vahoaka amin’ny asa vita sy tsy vita (Tamberin’andraikitra)
19. Hanao izay hahatanteraka ireo fanekena sy fampanantenana natao nandritra ny fampielezan-kevitra araka any tandrifim-pahefana omen’ny lalàna ny solom-bavambahoaka
20. Hitondra, hanaja sy hitandro ary hampanaja mandrakariva ny soa iombonana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena
21. Hiady sy hampanjaka ny fahaiza-mitantana indrindra ny ady amin’ny kolikoly anivon’ny antenimieram-pirenena
22. Hanaja ny andininy faha 72 ny lalam-panorenana izay mametra ny fivadihana vondrona politika mandritry ny fe-potoana fiàsana
23. Hanao tamberin’andraikitra amin’ny olompirenena amin’ny alalan’ny fanaovana tatitra momba ny asan’ny antenimieram-pirenena ary hihaino ny fiarahamonimpirenena
24. Hanao fanaraha-maso mavitrika ny fahefana Mpanatanteraka ary hanadihady ireo tranga tsy fanarahan-dalàna arahina tatitra araka ny lalàna manankery
25. Hanao ho zava-dehibe ny fanatrehana sy fandraisana anjara mandritra ireo fivoriana ara-potoana sy tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ary handray anjara mavitrika amin’ny asam-baomiera
26. Hamolavola lalàna mifanaraka amin’ny hetahetan’ny olom-pirenena
27. Hampiasa araka ny tokony ho izy ireo enti-manana, tsy hanararaotra ny fiarovana (immunité parlementaire)
28. Hanana fitondrantena mendrika eo anivon’ny fiarahamonina
29. Hifidy / hanao tsanga-tanana am-pahamarinana sy araka ny faharesen-dahatro manokana fa tsy hanao safidy nosandaina vola na tsindry.

Ho solombavam-bahoaka misahana ampahamendrehana ny andraikitro sy mametraka ambony ny tombontsoan’ny vahoaka aho !

About the author