STEF/BULLETIN N°3 Pilotage et Coordination de la lutte contre la Covid19 à Madagascar

STEF/BULLETIN N°3 Pilotage et Coordination de la lutte contre la Covid19 à Madagascar
STEF/BULLETIN N°3 Pilotage et Coordination de la lutte contre la Covid19 à Madagascar

FANAMBARANA AN-GAZETY
MANAO TOLOKEVITRA HO FANATSARANA HATRANY NY RAFITRA ENTINAMIADY AMIN’NY COVID19
NY FIRAISAMONIM-PIRENENA.
Anisan’ny andry iankinan’ny Système National d’Intégrité SNI, ny firaisamonim-pirenena dia vondrona
olom-pirenena maniry ny hitondra fiovana miabo manoloana ny lokanady mifanaraka amin’ny hay tondra. Ny andraikiny dia manabe, manentana, manetsika ireo mpisehatra, manao adisisika amin’ny politikam-panjakana ho tombontsoan’ny besinimaro, miaro ny tombontsoan’ny olompirenena,
manaitra amin’izay endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra, mitory eny anivon’ny rafitra mahefa rehefa ilaina izany.Noho ny hetra sy ny haba aloan’ny olompirenena, ny fahalalahana hivondrona araka ny zo
voasoratra ao anaty fikambanana omen’ny lalampanorenana, ny fifidianana izay nandraisan’ny olompirenena anjara ary nandrandrainy tamberinandraikitra avy amin’ireo mpitarika ara-politika azo itokisana sy manam-pahalalana, ara-drariny sy ara-dalàna tokoa raha toa ka mitaky ny mangarahara sy tamberinandraikitra amin’ny fitantanana ny volam-panjakana ary indrindra ao anatin’ny ady amin’ny Covid 19 ny firaisamonim-pirenena.
Noho izany, ny vondrona STEF Suivi de la Transparence et de l’Effectivité des Fonds alloués aux réponses à la Covid 19, dia namakafaka ary manao izao tolokevitra izao, manoloana ny asa notanterahan’ny mpitondra amin’ny ady amin’ity valan’aretina ity, mba ho fanatsarana ny fomba fiasa
ary ho fanarahana hatrany ny lalàna. Tamin’ny alalan’ilay Bulletin n°3 niompana tamin’ny fitantanana sy fandrindrana ny ady amin’ny Covid 19, dia tianay ny mitarika ny sain’ny maro amin’ireto teboka
manaraka ireto :
Ny ankamaroan’ireo rafitra ao anatin’ny PMDU – Plan Multisectoriel d’Urgence (Comité de
pilotage, comité consultatif, cellule mixte anticorruption, cellule de veille, …) dia tsy mbola tafapetraka hatreto, efa-bolana taorian’ny fandaniana ny lalàna momba izany. Na teo aza ny fampahafantarana ny fametrahana ireo rafitra ireo sy izay ho fomba fiasany tamin’ny alalan’ny
arrêté ministériel, tsy mahita finiavana hanao fakan-kevitra na fifampidinihana ho fametrahana ny rafitra ao anatin’ny PMDU sy ny tetibola entina iadiana amin’ny Covid19 na ny Fonds de riposte Covid19 ny STEF.
Hatramin’ny androany, maro amin’ireo fandaniana nampiasaina tamin’ny Covid 19 no tsy hita
soritra ny mombamomba azy, na tsy hita misongadina amin’ireo fandaniana hafa. Nanomboka ny volana Jolay, tsy mbola nampiasaina ny « fonds de riposte Covid 19 » ary mbola nivoaka na nalaina tao amin’ny « Caisse d’avance unique et exceptionnelle » ho an’ny CCO-Covid19 sy ny
tetibolan’ireo ministera isan-tsokajiny avokoa ny fandaniana mifandray amin’ny Covid19.
Raha ny ara-tetibola no jerena, miompana bebe kokoa amin’ny sehatra ara-toekarena ny PMDU
fa tsy ara-pahasalamana, raha ny famaritana ny laharampahamehana nataon’ny fitondrana no jerena, izany hoe natokana ho an’ny fotodrafitrasa (35%n’ny tetibola), sy ho an’ny fanampiana ny sehatra tsy miankina (25%n’ny tetibola). Hita misongadina ihany koa ny fanampiana ho
fanalefahana ny krizy indrindra ny fanampiana vonjimaika ny ara-tsosialy (16%). Tsapa ihany na izany aza fa tsy ampy ny fanampiana entina amin’ny rafitra ara-pahasalamana (9%). Kely lavitra noho ireo ihany koa ny tetibola natokana ho an’ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny kolikoly, izay manodidina ny 0.01%n’ny fitambaran’ny tetibola fotsiny.
Niteraka fifanitsahana andraikitra ihany koa ny fampitomboana ny rafitra napetraka sy ny tsy
fisian’ny lalàna mazava mamaritra ny asa sy ny andraikitr’ireo. Mba ho fiatrehana ny Covid19, nisafidy ny hametraka rafitra vaovao ny fanjakana dia ny CCO Covid19 sy ireo rantsamangaikany isa-paritra, ary ihany koa nametraka ny kaomity loharano. Natao anjorom-bala ny Ministeran’ny
fahasalamam-bahoaka na teo aza ny fisian’ny kaomity nasionaly misahana ny fandrindrana ny ady amin’ny valan’aretina mahery na Comité National de Coordination de lutte contre les épidémies majeures (CNC-LEM), ny QGO na Quartier Général Opérationnel ary ny fananan’io ministera io
rafitra hatreny ifotony rehetra, izay afaka nampiasaina sy noamafisina tsara nandritra ny ady amin’ny Covid19.
Na izany aza, ny fametrahana ny CRCO dia nanatsara ny fitsinjaram-pahefana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra teo amin’ireo ben’ny tanàna, ny prefets, ny sefo distrika ary ireo governoramparitra.
Nandrindra ny drafitra fiatrehana ny Covid19 teo amin’ny sehatry ny ara-pahasalamana ihany
koa ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka teo anivon’ny CCO Covid19 tamin’ny alalan’ny
Direction de la Veille sanitaire et de la Surveillance Epidémiologique et Riposte (DVSSER) izay
natao hisahana ny famaliana haingana raha misy ny valan’aretina na loza. Vokatry ny tsy fampian’ny tetibola nomena ny rafitra ara-pahasalamana, maromaro ireo lesoka hita :
o Ny tsy fahampian’ny akanjo fiarovana, ny solomaso, ny arovava, ny fitaovana manampy
amin’ny fisefona, ary ny fitaovana fanadiovana. Noho ireo tsy fahampiana ireo, dia tsy maintsy nosasaina sy naverina nampiasaina ireo EPI indroa na intelo mihitsy aza raha toa ka tokony ho ariana avy hatrany aorian’ny fampiasana azy voalohany. Nitarika hatramin’ny fararian’ny mpiasan’ny fahasalamana io tsy fampian’ny fitaovam-piarovana io, tamin’ny ivotoeram-pitsaboana miisa telo.
o Na teo aza ny fepetra noraisin’ny mpitondra, sarotra ihany ny niatrehana ny volana jolay noho fiakaran’ny tinady tamin’ny fitsaboana sy ny fanafody : tsy ampy ny tahirimpanafody, nirongatra ny varo-maizina, nanamora izany ny fahamaroan’ny mpandrindra ofisialy ny famatsiana. Tsy azo nialana ary tsapa tanteraka ny tsy fahampian’ny fanafody sy ny fitaovana hafa ampiasaina amin’ny fitsaboana manerana ny nosy. Nanao fanamarihana mikasika izany ny praiminisitra, dia ny fanodikodinana sy famarotana ireo fanafody voatokana ho an’i Madagasikara teny amin’ny varo-maizina teny Ambohipo, saingy inona ny fepetra noraisina manoloana izany ?
Na misy aza ny fahasamihafana eo amin’ny paikady napetraky amin’ny PMDU sy ny an’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena, dia afaka nifameno tsara ireo raha ampiharin’ny mpanatanteraka. Nahetsika ny zandary, ny polisy ary ny miaramila mba handamina sy hampanaja ny fepetra napetraky ny mpanatanteraka toy ny fanajana ireo fepetra fiarovana.
Nanolotra paikady ihany koa ny ministeran’ny fiarovam-pirenena izay mifanaraka amin’ny PMDU, ny mba hanetsehana ny mpisehatra rehetra sy ny entimanana rehetra na ny eto antoerana na ny avy any ivelany, mba hiadiana amin’ny Covid19.
Manamafy hatrany izahay ny :
– Hametrahana sy hampiharana ireo rafitra rehetra eo anivon’ny PMDU sy ny fonds de riposte Covid19 ;
– Ny fampidirana ireo mpisehatra samihafa tahaka ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny manampahaizana manokana, ao anatin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, mba hisian’ny fampandraisana andraikitra sy fifampindinihana mikasika ny PMDU, ary indrindra ny
fanarenana ny toe-karena sy ny sosialy.
– Fampiharana/fampiasana ny fonds de risposte Covid19 sy ny fampidirana ny fandaniana rehetra mifanaraka amin’ny Covid19
– Ny fanaovana tombana anelanelam-potoana amin’ireo asa rehetra hiadiana amin’ny Covid19 mba ahafahana mitondra izay fanitsiana ilaina
– Ny fanamafisana ny fahefana ananan’ireo rafitra mpanao fitsirihana ny fanarahan-dalàna an’ireo tsenambarom-panjakana sy ny rafitra manao ny ady amin’ny kolikoly
– Ny fanamafisana ny ady amin’ny Covid19 mba hisorohana ny mety ho fiverenan’ny krizy, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo rafitra efa misy, ny famaritana ny andraikiny amin’ny alalan’ny lalàna, sy famaritana ny asan’ny PMDU amin’ny alalan’ny didim-pitondrana.
Manamafy ny STEF fa ny hamehana na ny fisian’ny valan’aretina dia tsy tokony hanararaotana velively hanaovana tsy fanarahan-dalàna, na dia misy aza ny famerana ny zo ho an’ny rehetra. Ny fisian’ny hamehana dia tokony hanamafy ny mahazava-dehibe ny tamberinandraikitr’ireo mpitondra sy ny fanarahana ny lalàna, ary ny fampiharana ny hay tondra izay tokony hialoha lalana hatrany.
Antananarivo 05 novambra 2020

______________________________________________________________________________
COMMUNIQUE DE PRESSE
LA SOCIETE CIVILE PROPOSE SON AIDE POUR UNE AMELIORATION CONTINUE DU CADRE ORGANISATIONNEL DE LA LUTTE CONTRE LA PANDEMIE COVID19
Figurant parmi les piliers du Système National d’Intégrité (SNI), la société civile est un regroupement de citoyens engagés souhaitant apporter un changement positif face aux enjeux relatifs à la bonne gouvernance. Son rôle est d’éduquer, de sensibiliser, de mobiliser les acteurs, de mener des plaidoyers et d’influencer les politiques publiques pour l’intérêt général, de défendre les intérêts des citoyens, d’interpeller toute forme de dérives et de saisir les autorités et juridictions compétentes lorsqu’il le faut.
Du fait des impôts et taxes que les citoyens paient, de la liberté d’association accordée par la Constitution, du vote auquel chaque électeur participe et s’est attendu à bénéficier des actions de leaders politiques intègres et compétents, il est tout à fait légitime et légal que la société civile réclame
la transparence et la redevabilité dans la gestion des fonds publics, et spécifiquement dans le cadre de la lutte contre la pandémie de COVID19.
Dans ce sens, le consortium STEF analyse et émet des critiques constructives par rapport aux réponses apportées par l’Etat à la pandémie, fournit des recommandations pour leur amélioration en veillant
constamment à l’application de la loi. A travers le bulletin n°03 portant sur le pilotage et la coordination de la lutte contre la COVID19, nous souhaitons attirer l’attention de tous sur les faits suivants :
L’ensemble des structures (Comité de Pilotage, Comité Consultatif, Cellule Mixte Anticorruption,
Cellule de veille, …) du PMDU- Plan Multisectoriel d’Urgence tarde à voir le jour, quatre mois après son adoption. En dépit de l’annonce de leur mise en place et de la précision du mode de fonctionnement via un arrêté ministériel, STEF constate l’inexistence de consultation et de
concertation autour de la mise en place des instances du PMDU et du fonds de riposte.
A ce jour, certaines dépenses COVID19 ne sont ni retraçables ni dissociables des autres
catégories de dépenses. Depuis le mois de juillet1, le fonds COVID19 n’a pas été opérationnalisé et les dépenses relatives au COVID19 proviennent de la caisse d’avance unique et exceptionnelle pour le CCO-COVID19 et des budgets des ministères sectoriels.
En termes budgétaires, le PMDU revêt plus un caractère économique que sanitaire au vu des priorités budgétaires définies par l’Etat dans sa mise en œuvre, notamment avec la construction d’infrastructures (35% du budget) et l’appui transversal au secteur privé (25%). Il met également
en avant l’atténuation de la crise, surtout les mesures d’urgences sociales (16%). Cependant, force est de constater que l’appui au système sanitaire est insuffisant (9%). De même, les moyens déployés pour le contrôle et la lutte contre la corruption sont largement insuffisants, avec seulement 0,01% du budget total.
La multiplication des structures et l’absence de textes précisant leurs rôles et missions ont entrainé un empiétement des responsabilités. Pour faire face à la COVID19, l’Etat a fait le choix
1 Adoption du décret n° 2020-725 portant sa création en Conseil de gouvernement, le 02 juillet 2020
2 de mettre en place de nouvelles structures telles le CCO COVID19 et de ses démembrements au niveau des régions, mais également des Comités Loharano. Le Ministère de la Santé Publique a été mis en arrière-plan en dépit de l’existence du Comité National de Coordination de lutte contre les
épidémies majeures (CNC-LEM), du Quartier Général Opérationnel (QGO) et de ramifications du Ministère de la Santé Publique jusqu’au niveau communautaire, qui auraient pu être capitalisés et renforcés pour faire face à la pandémie de COVID19.
Toutefois, la mise en place des CRCO a amélioré la décentralisation de la prise de décision notamment au niveau des maires, des préfets, des chefs districts et des gouverneurs et chefs de
région.
Le MSAN au sein du CCO-COVID19 a tout de même coordonné le plan de riposte contre la COVID19 sur le plan sanitaire, notamment à travers la Direction de la Veille Sanitaire et de la Surveillance Épidémiologique et Riposte (DVSSER) qui est chargée d’assurer une riposte rapide et efficace en cas d’épidémie ou de catastrophes. Conséquences, notamment, du manque de budget alloué au système sanitaire, les défis ont été multiples :
o Le manque important en blouses de protection, lunettes de protections, masques et appareils respirateurs et désinfectants. En raison de cette insuffisance, les EPI, bien que non recyclables, ont été lavés et ré-utilisés pour une deuxième voire une troisième utilisation. Ce manque de matériels de protection a conduit à une contamination du personnel de santé au sein de trois centres de santé.
o Malgré les dispositions prises par l’Etat, le mois de juillet 2020 a été particulièrement difficile à cause des demandes accrues en traitement et en médicaments : insuffisance de stock de médicaments, déploiement d’un marché noir, favorisé par une coordination à multiples têtes de
l’approvisionnement officiel. La rupture de stocks de médicaments et des intrants indispensables au traitement est inévitable et se fait ressentir dans tout le pays, avec des périodes d’épuisement de réserves pour les pharmacies. Le Premier Ministre s’est plaint du trafic de médicaments importés par le gouvernement malgache, spécifiques pour le pays, qui sont vendus au marché noir à Ambohipo, mais quelles mesures ont-elles été prises face à cela ?
Malgré la différence dans les approches et les stratégies par rapport au PMDU, le plan de riposte du Ministère de la Défense Nationale n’en demeure pas moins complémentaire du PMDU et aurait pu renforcer l’efficacité des mesures socio-sanitaires de ce dernier si réalisé par l’exécutif.
Les FDS (Gendarme, Police, Armée) ont été mobilisées dans l’implémentation et le suivi du respect des mesures édictées par l’Exécutif, particulièrement dans l’application de la limitation des libertés publiques et pour le suivi du respect de la distanciation sociale et des gestes barrières. Bien qu’étant un acteur principalement opérationnel, le MDN a également émis ses propositions d’ordre stratégique par un plan de riposte contre la pandémie en complément du PMDU, préconisant la mobilisation générale et immédiate de tous les acteurs et des ressources nationales et internationales.
De tout ce qui précède, nous recommandons :
– La mise en place et l’opérationnalisation effectives des instances au niveau du PMDU et du fonds COVID19 ;
– L’intégration des différents acteurs tels que la société civile, le secteur privé et la communauté scientifique dans le processus de prise de décision pour une meilleure participation et concertation autour du PMDU, particulièrement pour la relance économique et sociale ;
– L’opérationnalisation du fonds de riposte COVID19 et l’intégration de l’ensemble des dépenses liées à la COVID19 ;
– Une évaluation intermédiaire de tous les aspects de la riposte pour pouvoir amener les corrections nécessaires ;
3
– Le renforcement des moyens à disposition des organes de contrôle de la régularité des passations
des marchés publics ainsi que des organes de lutte contre la corruption ;
– Le renforcement de l’organisation de la lutte contre la COVID19 pour éviter une éventuelle résurgence de la crise, en limitant et en capitalisant sur les structures existantes, précisant les rôles et responsabilités par le biais de textes règlementaires ainsi que le mode de fonctionnement
du comité de PMDU par le biais d’un arrêté.
STEF réitère que l’urgence ou le fait que la pandémie reste d’actualité ne devait pas aller de pair avec l’illégalité, même si des restrictions de droits sont permises. L’urgence ne doit pas mettre en suspens, et renforce au contraire, le devoir de redevabilité des dépositaires du pouvoir public et l’impératif de respect des règles de la bonne gouvernance qui doivent prévaloir en tout temps.
Antananarivo, le 05 novembre 2020

Pour télécharger le bulletin n°3, veuillez cliquez sur le lien suivant: https://www.ivorary.org/wp-content/uploads/2020/11/Bulletin-3_versionFinale_05Nov2020-1.pdf



About the author