Toherinay ny didy jadona sy ny valifaty ara-politika
Ny fisoloan-tena no fomba voarakitra ao amin’ny andininy faha-5 ao amin’ny Lalàm-panorenana hampiharana ny fiandrianam-pirenena mivantana, loharano ipoiran`ny fahefana rehetra. Ireo vahoaka ireo dia mifidy amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan`ny rehetra anjara tsy mivantana ny solontenany ao amin’ny Parlemanta izay hampiasa ny fahefany, ho tombontsoan’ireo vahoaka ireo ihany. Noadinoina anefa io foto-kevitra io noho ny fanara-drian-drano ny firehan-kevitra politikan’ny vondrona politika izay tsy voatery mifanaraka amin’ny tomboantsoa iraisan’ny vahoaka.
Fampatsiahivana ny zava-nitranga
Tao anatin’ny volana vitsy dia hita ny fanonganana sy fanalana ny maha-olom-boafidy an’ireo filohan’ny Antenimiera roa. Ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny no nangataka ny hanonganana sy hanalana ny maha-loholona an’Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Herimanana, voafidy tamin’ny lokon’ny antoko IRD. Ity farany dia noesorina tamin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona azy ny 12 oktobra 2023 nandritry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierandoholona. Voasakana ny handray ny toerana maha filoham-panjakana vonjimaika azy ihany koa izy io taona io ihany.
Torak’izany koa, i Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny vondrona IRD sady filohan’ny Antenimierampirenena, dia noesorina tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) tamin’ny 28 martsa 2024 amin`ny toerana maha solombavambahoaka azy noho ny volaza fa “fivilian-dalana amin’ny lafiny politika tamin`ny antoko misy azy.”
Ireo ahiahy mampametra-panontaniana
Na dia voarakitra anaty lalàna ary ireo karazana dingana ireo, dia marihina fa ny fanamorana sy hafainganan`ny fanalàna ireo lehibena andrim-panjakana amin’ny asany ireo dia mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Tsy misoratra anaty lalàna ny antoka ara-demokratika mifandray amin’ny maha-solontenan’ny ampahan’ny fiandrainam-pirenenan’ny vahoaka azy ireo.
Ny antsonjay politika
Noho ny maha-olomboafidy ny solombavambahoaka dia nampindramin’ny olompirenena fahefana hitondra ny ahiahiny mahakasika ny fiainany andavanandro amin’ny alalan’ny fifidianana lalàna sy amin’ny fanaraha-maso ny fandraisan’andraikitry ny Mpanatanteraka. Araka izany manana fiarovana manokana noho ny fitsipiky ny tombon-jon`ny antenimiera ny solombambahoaka amin’ny fahafahany maneho hevitra malalaka. Inona ny hevitra hampitaintsika amin’ny vahoaka amin’ny antsonjay atao amin’ireo olona tokony hiaro ny tombotsoan’ny olompirenena ?
Fanontaniana mahakasika ny fifandanjan`ny lanjan’ny maha eo ambanin`ny fifehezan`ny antoko sy ny maha solontenam-bahoaka:
Araky ny lalan-tsain’ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna fototra eo amin’ny firenena Afrikana maro, ny fanonganana dia sazy napetraka mba hialàna amin’ny fivadibadihana ara-politika. Izany anefa tsy manakana ny fisian’ny fisitahana ara-ideolojika, satria ao amin’ny andininy faha-25 amin’ny lalàna laharana 2011-012 mikasika ny antoko politika dia mahazo miova ho tsy miankina izay tsy manaiky intsony ny firehan-kevitra politikan`ny antoko nisy azy, hatramin’ny fifaran’ny fotoam-piasany.
Araky ny foto-kevitry ny fahalalahana maneho hevitra, ny solombavambahoaka dia fehezin’ny fitsipiky ny tombon-jon`ny antenimiera amin’ny asany any amin’ny fivoriana. Ary koa, raha heverina fa manohitohina ny filaminam-bahoaka ny tenin’ny lehiben’ny andrim-panjakana, dia azo atao ny mampiakatra ny raharaha any amin`ny Fitsarana Avo (HCJ) amin’ny fiampangàna heloka bevava satria amin’ity tranga ity dia tsy mahazo ny tombon-jon`ny antenimiera intsony izy.
Natao fitaovana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC):
Raha misy disadisa anatiny eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny fampiasana ny fahefan’ny mpitsara momba ny lalàmpanorenana no tokony ho vahaolana farany. Eny tokoa, lalàna fanampiny toy ny fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony hampiasaina amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’ny fihetsika nataon’ny solombavambahoaka. Eny tokoa, ny tranga fanokafana toy ny fampatsiahivana ny fitandrona ny filaminana (rappel à l`ordre), ny fampatsiahivana ny fitandroana ny filaminana miaraka amin`ny fanoratana ao amin`ny fitanana an-tsoratra (rappel à l`ordre avec inscription au procès-verbal), ny famaizana miaraka amin`ny fanoratana ao fitanana an-tsoratra (censure avec inscription au procès-verbal), na koa ny famaizana miaraka amin`ny fanesorana vonjimaika (censure avec exclusion temporaire) araky ny voalazan’ny andininy faha-96 amin’ny fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierampirenena dia azo ampiharina amin`ny solombavambahoaka tsirairay. Marihina ihany koa fa raha tsy nandalo ireo dingana rehetra ireo dia nampiakarina tany amin`ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny raharaha ho faneriterena ny asan’io solombavambahoaka io.
Amin`izao akatoky ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao dia manova endrika ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana io fanehoana fanararaotana amin`ny fampiasana azy io, sady fampitandremana ihany koa ho an’ireo mikasa hiara-dia amin`ity antoko eo amin’ny fitondrana ity.
Hafatra :
Ampatsiahivina fa ny soatoavin’ny Fanjakana demokratika mifototra amin’ny fisolon-tena an-kolaka dia ny fanajana ny Fiandrianam-pirenena sy ny fandanjalanjana. Ny fepetra takian’ny fitsarana ara-drariny dia mihatra amin’ny fepetra fifehezana sy sazy; ka zava-dehibe noho izany ny mandinika ny fomba nandanjalanjana ny fepetra noraisina tamin’ny solontenan’ny vahoaka voafidy ara-dalàna tamin’ny fifidianana nandraisan`ny rehetra anjara. Amin’ny trangan-javatra manan-danja lehibe amin’ny fiainan’ny Fanjakana toy izao, dia mampanahy ny fomba nanafenana azy tamin`ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena.
Fanampin`izay, tianay ny mampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny foto-kevitra saro-pady momba ny fisaraham-pahefana, izay nozimbazimbaina hatry ny ela. Amin’ny lafiny iray, ny fanonganana an’ireo filohan’ny Antenimiera roa, izay mpanohana mafana fo ny fitondrana teo amin’ny toerany tamin’ny alalan’ny tetika ara-politika tsy ara-dalàna, na ny fanerena mihitsy aza, ary etsy ankilany, ny famoretana mafy ny sehatra fanehoan-kevitra sy fandraisana anjara amin’ny maha-olompirenena no famantarana mazava ny fitondrana jadona. Ny faneken’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana an’ireo fangatahana ireo, na amin’ny votoatiny sehony sy amin’ny endriny, dia mampanahy ihany koa amin’ny fitandroana ny hany kely sisa tavela amin`ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.
Mananontanona ny loza. Mihamahazo vahana ny fitondrana jadona eto Madagasikara saingy mbola tsy tara ny fanakanana izany. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mijoro sy manda ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra mba tsy ho lasa nofinofy fotsiny ny demokrasia.
Tsy misy teny mahalaza ny zava-misy: « An-dohalika ny ranombary. Mialalim-paka hatrany ny tsy refesi-mandidy sy jadona eto Madagasikara kanefa tsy mbola taraiky raha sakanana ny fandrosoan’izany». Adidintsika olompirenena ny mijoro sy manohitra ny tsy rariny ary mba tsy ampisy sarintsarina demokrasia.
Na dia maloka aza ny zava-misy dia tsy mitsahatra ny mamerina hatrany ny tolo-kevitra efa nambaranay taloha izahay, dia :
– Ny fametrahana sehatra fifampidinihina mitohy mba hisian’ny fifampitokisana hiatrehana ny fifidianana mbola ho avy rehetra
– Ny fnamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, indrindra amin’ny resaka fifidianana;
– Ny fametrahana ny sazy noho ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny vola lany amin’ny fifidianana;
– Ny fametrahana ny « Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée » (ANRCM)
– Ny fanafahana sy fahalalahana ny sehatra ho an’ny olompirenena min’ny alalan’ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha 60-082 amin’ny 08/13/60 mikasika ny fivoriam-bahoaka sy ny fihetsiketsehana eny amin’ny lalam-bahoaka;
– Ny fampiatoana avy hatrany ny antsonjay politika.
Antananarivo, 11 aprily 2024
Ireo fikambananan`ny firaisamonim-pirenena nanao sonia tamin`ny fanambarana am-pahibemaso :
– CCOC
– Liberty 32
– Mouvement Rohy
– MSIS Tatao
– Observatoire des jeunes
– ONG Hitsy
– ONG IVORARY
– ONG Tolotsoa
– PFNOSCM
– MONEPT
– Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG)