L’observatoire SAFIDY et l’ANJA ont conçu un guide pratique du contentieux électoral et ont remis le guide à la CENI et ses partenaires.

L’observatoire SAFIDY et l’ANJA ont conçu un guide pratique du contentieux électoral et ont remis le guide à la CENI et ses partenaires.
L’observatoire SAFIDY et l’ANJA ont conçu un guide pratique du contentieux électoral et ont remis le guide à la CENI et ses partenaires.

Manana fitaovana hanampy azy ireo amin’ny fitorohana ireo
fifanolanana amin’ny  fifidianana ny firaisamonim-pirenena sy ny olompirenena
Fampahafantarana ampahibemaso ny toro-lalana momban’ny fifanolanana amin’ny fifidianana, vokatriny ny fiaraha-misalahy teo amin’ny SAFIDY sy ny Fikambanana ANJA (Association Nationale pour la Justice Administrative)

Antananarivo, faha-28 novambra 2019

Ny faha 05 ny volana septambra 2019,ny sampana fanaraha-maso SAFIDY sy ny ANJA dia nanao fifanaraha-piaraha-miasa ara-tekinika mba hanoratana sy hanaparitahana toro-lalana azo ampiasain’ny daholo be mikasika ny fifanolanana amin’ny  fifidianana kaominaly eto Madagasikara.Io fiaraha-misalahy io dia mikendry ny hahatsara ny endrikiy ny fangatahana sy fandravana didy eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny Filankevim-panjakana,ary ny fanenjehana ireo manao heloka ara-pifidianana ary mba hahatonga ny fizotry ny fifidianana ho eken’ny rehetra.Ho an’ny SAFIDY manokana, ny tanjona kendreny dia ny ampihenana araka izay tratra ny tsimatimanota ara-pifidianana eto Madagasikara.

Mba ho fampatsiahivana, Ny SAFIDY sy ny ANJA dia nanatanteraka atrik’asa nikasika ny fijerena amin’ny antsipirihany ny fifanolanana mety hiseho amin’ny fifidianana izay nandinihana ny fototra sy ireo pitsopitsony mikasika ny rijan-teny mifehy ny fifandirana ara-pifidianana. Ankehitriny, dingana lehibe no vita dia ny fahavitan’ ity toro-lalana ity, izay efa vonona haparitaka ho an’ny mpisolo-vava, ny firaisamonim-pirenena ary ireo olompirenena maniry ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiatsaran’ny zotram-pifidianana.

Vokatry ny fandalinana ny fifanolanana amin’ny fifidianana ; ity toro-lalana ity dia mampahafantatra ny mpangataka eo anatrehan’ny fitsarana mahefa ireo foto-kevitra lehibe mikasika ny fifanolanana amin’ny fifidianana, tahaka ny fahamarinan’ny latsabato,ny fampiharana tanteraka arakin’ny tokony ho izy ny rijan-tenin-dalàna mifehy ny fifidianana.Ity fitaovana ity dia natao indrindra mba hanampy ny olom-pirenena amin’ny fandrafetana fangatahana eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana.Manampy ihany koa ireo olona tsy afa-po tamin’ny didy mba hangataka fandravana eo anivon’ny filan-kevi-panjakana.Ary mikasika ny heloka ara-pifidianana, ity toro-lalana ity dia mamelabelatra ireo karazan-keloka mety hiseho sy ny fahefana mahefa amin’izany.Izany hoe ny toro-lalana dia maharakitra ny ankamaroan’ny voalazan’ny lalàna mba hahatomombana ny fangatahana eo anivon’ny fitsarana mahefa raha misy tsy fanarahan-dalàna, na eo amin’ny fepetra hahazoana mandray ny fangatahana na amin’ireo fepetra hampitombina azy ary indrindra ny mikasika ireo porofo hanamarinana ny fangatahana izay malalaka amin’ity fifidianana kaominaly ity.

Mba ho fanampariahana araka izay tratra izay voarakitra ao amin’ny toro-lalana ;ny fiofanana anio dia efa santatry ny fiofanana izay atao isaky ny faritany enina (6) mampahafantatra ny votoatiny.Ny ho tratrarina dia ny fampiofanana olona 190, izay ny ankamaroany dia mpisolo-vava, firaisamonim-pirenena ary ireo mpanara-maso ny fifidianana.Ity toro-lalana ity dia natao dika mitovy amin’ny teny malagasy sy frantsay ary natao izay iresahana ny fomba fiseon’ny fifandirana ara-pifidianana amin’ny fomba tsotra.

Izahay dia mirary fahombiazana ho an’ity toro-lalana ity mba ho anisan’ny singa iray  hahatomombana ity fifidianana kaominaly ity ary mba ho ampinga hahatrarana ny tanjona izay nokendrena tamin’ny fandrafetana azy.

Ary tsy ho adinoina ny misaotra ireo rehetra izay niara-nisalahy tamin’ny fandrafetana ny toro-lalana tamin’ny fomba rehetra ary mbola mamporisika hatrany mba hitohizan’ny ezaka natao mba handrosoan’ny firenena ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany eo amin’ny lafin’ny demokrasia.

Ary farany sady anisan’ny lehibe ihany koa dia ny fampahafantarana ny fisian’ny rafi-pifandraisana ara-teknolojika eo anivon’ny ivoterana SAFIDY amin’ny alalan’ny laharana maitso azon’ny rehetra antsoina maimaim-poana : 0323203232 ; 0343081020 ; 0336502333.

Ity fanambarana ity dia natao tamin’ny tetikasa  tohan’ny Vondrona Eoropeanina.

Ny voalaza ato anatin’ity fanambarana ity dia iantohan’ ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDI, MSIS-tatao, ONG Ravintsara, OPTA ary ONG Ivorary ary tsy azo raisina ho mitaratra ny hevitry’ ny Vondrona Eoropeanina velively

———————————————————————————————-

Communiqué

Les Organisations de la Société Civile et les citoyens mieux outillés pour dénoncer les infractions électorales.
Lancement du guide pratique sur le contentieux électoral, fruit de la collaboration entre l’Observatoire SAFIDY et l’Association ANJA (Association Nationale pour la Justice Administrative).

Antananarivo, le 28/10/2019

Le 05 septembre 2019, l’observatoire SAFIDY et l’ANJA ont conclu un partenariat technique en vue de l’élaboration et de la vulgarisation d’un guide pratique sur le contentieux des élections communales à Madagascar. Cette collaboration a pour but : d’améliorer la qualité des requêtes et pourvois déposés auprès des Tribunaux administratifs et du Conseil d’État, de la poursuite des infractions électorales et de crédibiliser le processus des élections communales à Madagascar. SAFIDY en particulier, s’est donné comme objectif de contribuer à la réduction de l’impunité électorale à Madagascar.

Pour rappel, les deux partenaires ont organisé un atelier de diagnostic du contentieux électoral visant à analyser point par point les différents aspects du contentieux électoral. A présent, une étape importante a été franchie. Le guide pratique est disponible et prêt à être disséminé et vulgarisé auprès des avocats, organisations de la société civile (OSC) et tout citoyen souhaitant apporter un changement positif dans le processus électoral.

Fruit d’une réflexion poussée, le guide enseigne aux requérants les principes fondamentaux régissant le contentieux électoral, à savoir la sincérité du scrutin et l’application stricte des textes électoraux. L’outil a été conçu pour appuyer le citoyen dans la constitution de leur requête au niveau du Tribunal Administratif. Il assiste également les personnes insatisfaites à se pourvoir en cassation auprès du Conseil d’État. En cas de constatations d’infractions électorales, le guide étaye également les types d’infractions, et les modalités de saisine des autorités compétentes. Ce guide pratique renferme la quasi-totalité des dispositions légales indispensable à l’efficacité d’une requête, que ce soit sur les conditions de recevabilité, les conditions de fonds mais aussi sur les questions de preuves qui sont libres pour ces élections communales et municipales.

En guise de vulgarisation, la formation d’aujourd’hui s’inscrit dans une série des formations provinciales sur le contenu du guide pratique. Au total, nous ambitionnons la formation de 190 personnes, essentiellement composées d’avocats, d’OSC, et d’observateurs nationaux. Le guide a également été édité en malagasy et en français. Sa rédaction a été conçue pour aborder les aspects pratiques du contentieux électoral.

Aussi, nous souhaitons que ce guide soit un atout majeur pour cette élection et qu’il soit efficace pour atteindre les fins que nous lui avons données.

Nous tenons à remercier tous ceux qui ont contribué à l’élaboration de ce guide, de prêt ou de loin, pour le rendre opérationnel, et aussi à encourager leur engagement dans leurs actions pour le progrès démocratique de notre pays.

Enfin, il est important de souligner qu’un dispositif en ligne a été mis en place par SAFIDY pour assister les requérants dans leur démarche contentieuse et pour qu’ils ne puissent plus hésiter à saisir les juridictions : cela se fait par l’intermédiaire des numéros verts qui sont le 0323203232 ; 0343081020 ; 033650233.

Le contenu de ce document relève de la seule responsabilité de l’Observatoire SAFIDY et des Organisations de la Société Civile qui le composent : MSIS-Tatao, AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, ONG Ravintsara, OPTA, Alliance Voahary Gasy et ONG Ivorary et ne peut aucunement être considéré comme reflétant le point de vue de l’Union européenne.

Liens pour télécharger le guide en version malagasy et française:

https://www.ivorary.org/wp-content/uploads/2019/10/Guide-Pratique-VF.pdf

https://www.ivorary.org/wp-content/uploads/2019/10/Guide-Pratique-V-MG.pdf

About the author